Misy fasana ireo takon’ny hazo ireo fa teny am-pita no nalaina ny sary. Amin’ny ankavanan’ny lalam-pirenena faha-4, afaka kely an’Andranovelona raha ho any Mahajanga. Ambohidambinana no anaran’ny toerana, akaikin’ilay tanàna vaovao hoe Vohikanto. Fasan’Ikotofetsy sy Imahakà, hono, ireo.   Fa tena nisy izany ry zareo ary nisy rohim-pihavanana ? Sa natambatry ny hafetsena ? Tsy lavitra eo Ibabay sy Ilohavohitra, izay misy tantarany ihany koa.   Toy ny lalao, ny « imaginaire » dia manana anjara toerana lehibe amin’ny famolavolana « olona ». Anatin’izany ny karazana angano,...

Read more 0