Ny mamo aloha dia misy hoe ranomason-toaka. Fa ny adala ve mba mety hitomanin’alahelo ? Misy fihetseham-po tsy voalaza na amin’ny teny inona na amin’ny teny inona. Misy ratram-po tsy voafafa na amin’ny fomba inona na amin’ny fomba inona. Ary izaho tsy mino fa hisy ny fanadinoana sy fanafoanana toy ny tsy nisy ao anaty fahatsiarovana ny lalana nandratra. Toy ny hoe handeha hamakivaky ny ala atsinanana, amin’ny andro manjombona sy matroka, ka ianao ilay vahiny nentina niara-dalana tsy sazoka. Ianao ilay mpangataka sy mpiangavy fiantrana, amin-javatra lafo vidy nefa anana tsy mahavaly...

Read more 0