Dia inty àry ilay “Aimer son prochain” raha toa ka amin’ny teny gasy. Dia izaho ihany koa no namorona azy   Mitari-dalana azy eny an-dalana ombàny, Mamela ny hadisoany, mitondra fanampiana, Ho namany tokoa hatrany am-piafarany, Mitsangana ho fefy raha sendra hakiviana.   Azony izaràna ny hafaliany sy ny tsetra, Ny toloko tsy niloatra na ny sento indraindray ; Mandre sy mahalala ny hiakany rehetra, Ny lanja sy ny dikan’ny topimaso iray.   Mandefitra amin’izay teniteny tsy tsaroana. Misy tsy itoviana : ekena ihany koa, Ny tombontsoan’ny...

Read more 0