Havanay hafa indray koa i Tiana. Teneno rehefa leo anay mianakavy ianareo.   Mpitondra taxi no asany nahabotrabotra azy hatramin'izay. Teo aloha dia tonga tao an-tokotaniny ilay fiara 4L fitondrany, nomeny ny anarana hoe Sombiniaina. Kanjo nisy nanorina trano teo amin'ny lalana mankao ka dia eny amoron-dalana no apetraka ilay fiara. Tsy akaiky fa rehefa vita ny arabe sahabo ho 200 metatra dia mbola mandeha elakela-trano miolika sy tery ary mangina vao tonga eo am-bavahady.   Tsy misy mpiambina i Sombiniaina eo amoron-dalana eo, ary rehefa ho avy koa ny orinasa...

Read more 0