Friday, 14 February 2020
NY OLONA REHETRA SY NY OLONA MANONTOLO

Manahirana be ilay miresaka satria misy olona, sady tsy mahay na inona na inona no sarotra atoro. Ny faharoa moa no manazava ny voalohany, ary ny voalohany no anton’ny faharoa. Ny tena mahakivy, dia ilay olona tena tsy eritreretina ho vendrana indrindra no tena dondrona. Ary ny vao mainka mahakivy, dia izany no hanao randran-tarihana amin’ny taranany rehetra. Indraindray aho, rehefa tojo olona be drinkina tsy manaiky hadisoana, na efa atohoka azy aza ny fahamarinana, dia hoy aho hoe « ianao ilay miteny io mihitsy no halany ka na inona na inona hambaranao eo, dia...