Wednesday, 25 March 2020
CORONAVAHINY

Ho lava izy ity, rahavako. Mba ho azonao tsara ny tohiny, dia tsy maintsy hitantarako ampahany kely ny fiainako. Kely fotsiny fa aza malaky mamoaka tsoa-kevitra. Tsy vitan’ny hoe tambanivohitra aho, fa tantsaha ihany koa. Efa elabe tato aoriana vao nahafantatra fa ny tombam-bintako, hono, dia mifantoka amin’ny Tany, iray amin’ireo singa efatra nandrafetana an’izao rehetra izao. Marina. Ny Tany sy izay talenta sy fahasoavana rehetra mifamatotra aminy. Fa tsy izay no resaka. Tambanivohitra aho, ary ny androatokon’ny angovo ampiasaiko, dia izay voajanahary : ny afon’ny masoandro, ny...