Tuesday, 31 March 2020
RAVINTOTO SY HENANKISOA, FIZARÀNA FAHAROA

Chayote, Sayote, Chouchou, Christophine, Saosety. Sakafo sokajiana ho légumes na voankazo ihany koa, ary tena ankafizin’ny olona ao La Réunion. Fadiranovana kosa ny Gasy raha vao resahana an’izany. Ny mamboly azy, hono, mampahantra. Mampahantra kokoa angaha no tena izy, satria tsy efa mahantra rahateo ve ny ankapoben’olona malagasy. Tsy foin’ny Zanahary hahantra angamba aho fa tsy mety mahavanona saosety, nefa mba tiako ilay alokalony hatao tafon’ireo voninkazoko … Dia gaga ihany aho aloha, sady malahelo mafy an’ireto zavatra manaraka ireto : saosety, voatavo, baranjely,...