Friday, 29 November 2019
HIFIDY INONA SA HIFIDY AN'IZA
Dia natao ity fifidianana. Ka arakaraka ny nilazana azy hoe « akaiky kokoa ny vahoaka » (de proximité) no tsy niraharahain’ny vahoaka azy, satria dia zara raha nisy ampaha-efatry ny olona « voasoratra » ho mpifidy, no nanetsika ny tongony sy ny tanany. Izany hoe, mbola vitsy dia vitsy kokoa ny taha raha toa ka oharina amin’izay tena « tokony » ho mpifidy. Efa enim-bolana mialoha manko dia nofaranana sy nohidiana ny lisitry ny mpifidy. Izany hoe, izay maty sy feno taona sy nifindra monina sy niova sata tao anelanelan’izay, dia ivelan’ny fieritreretana. Misy olona (angamba) karamaina...