Wednesday, 31 July 2019
DIA KIVY NY TENA !
Ilay kofehy kely hany sisa nitazona ahy hihafy tamin'ilay "radio" dia efa ho maito tanteraka. Asa raha azonao an-tsaina izany feo atao hoe "diesel". Feon'olombelona io, ary vehivavy. Feo somary matavitavy toy ny loarana avy any an-traotraoka any. Io ilay "mpanentana" vaovao mikarantsana vao maraina. Na tsy te hifoha aza ianao, na tsy tokony hifoha, dia ampy hisintona anao hoe "mifohaza" izany feo izany. Raha iny aho mba niala tamin'ireto karazana radio mitoritory teny sy mivavabavaka, dia sendra feo tena mankarary sofina ara-bakiteny. Samy manana ny critères de casting-ny tokoa...