Friday, 29 March 2019
TAPA-POROHANA MBOLA MANETONA

Tamin’ny fotoanan’ny fanjanahantany, hono, dia mafy ny asa an-terivozona, ny lahasa tsy misy karama, ny asa 30 andro izay tsy maintsy ataon’ny tovolahy feno 18 taona, ny karatra isan-dahy izay aloa isan-taona, miampy ny fanadiovana ny arabem-panjakana. Fa ny tena loza dia ny SMOTIG : « Service de la Main-d’œuvre des Travaux Publics d'Intérêt Général ». Fomba fampanaovana asa an-terivozona napetraky ny Gouverneur général OLIVIER tamin’ny 1928 teto Madagasikara izy io, ary « nofoanana » tamin’ny 1945. Ny atao amin’izany dia olona marobe miaraka manao lalana, tetezana, tonelina,...