Thursday, 14 February 2019
NANDOVA FITIAVANA
Nataoko fanao ny mampahafantatra ny olona tsirairay mifanerasera amiko, ny hevitro momba azy, hoe nahoana izy no avelako ho eo amin’ny fiainako. Ambarako amin’izay ahafahako miresaka izany, ary soratako ho an’izay tsy ahafahako miresaka. Izaho tsy karazan’ny olona hihafy amin-javatra tsy sitrako, raha mbola azoko atao. Halaviriko izay tsy ahatsapako hafaliana sy filaminana. Ity hiran’ny BLACK M hoe « Sur ma route » no nanaitra kely ny aingam-panahiko. Raha fintinina dia hoe « tsy misy afa-tsy ny fianakaviana », « hafa ihany i dada sy i neny ». Dia marina izany. ...