Monday, 31 December 2018
IL N'Y A RIEN A COMPRENDRE
Miverimberina matetika ny fitenenana hoe « tsy azoko ». Tenenina fotsiny izy io fa tsy mitaky hoe hazavao . Fa dia betsaka ny tranga « tsy azo », izany hoe tsy fantatra hoe nahoana moa no miseho, nahoana no atao na misy manao. Ny tena mahakivy ahy dia rehefa olona mba noheveriko ho tsy tokony hanao azy no manao azy ! Dia izay ilay itenenako ihany koa hoe « aza mihevitra ». Ohatra anankiray tena mampihivingivin-doha ity amboletra hanaovana famoriam-bahoaka. Na iza na iza no hanao azy, dia miova arakaraka ny toerana misy ilay hoe « fifampiresahana ». Azo atao foana ny...