Saturday, 01 September 2018
HASINA INONA ?
Alasora dia anisan’ny akany nahafoizan’ny Andriana maromaro nanan-daza teo amin’ny Fanjakana Merina sy Fanjakan’i Madagasikara. Anisan’ny vakim-paritra Avaradrano, izay iarahana mahalala ny lanjan’ny hoe « avaratra » teo amin’ny Ntaolo. Ny tena « vohitra » dia Ambohitrandriananahary, atsinanan’Ambohimanoa, ilay tena fantatry ny maro ho Alasora. Tsy horesahako ny halatra akoho, fa tantara hafa iny. Efa nisy lahatsoratra nataoko, mikasika ny vohitra Ambohitrandriananahary. Eo am-pototr’io ankehitriny (2018), ary efa taona vitsivitsy izao, no fanarian’ny Commune fako. Ambohinonoka no...