HIC-ET-HIAKA

Archives > 2018-05

Friday, 25 May 2018

I ZEFA SY I MARIETY

Asa na ilay toetr’andro matromatroka no nahatsiarovako tampoka an’i Zefa. Tantara efa ela izy ity. Ary raha sendra misy mitovitovy aminy, dia kisendrasendra fotsiny ihany.   I Zefa dia lehilahy lehibe ranjanana. Mpiasam-panjakana izy, itony atao hoe fonksionera, mpanamory no asany. Tsy hoe fiaramanidina, fa mpamily izany e. Mpamily Land-Rover entina manao fitetezam-paritany. Chauffeur-mécanicien. Nalaza be ho nanana zanaka am-pielezana maro i Zefa, moa va tsy fiangonana. Synodam-paritany ireny fa ny reni-fiangonana dia tao Andraisoro tao ihany, mitondra ny anarana hoe...

Read more 0

Wednesday, 16 May 2018

CLASSE ET DIGNE

Mazava ao an-tsaiko ny hevitr’izany teny izany, saingy tsy haiko ny handika azy amin’ny tenin-gasy. Tsy kolon-tsainy angamba matoa tsy ananany voambolana. Hambom-po ? Haja amam-boninahitra ? Fahamendrehana ?   Dia hisy hamaly boraingona hoe samy manana ny ataony hoe mendrika sy mihaja. Dia hisy hamaly bontana hoe « izay tianay ihany io ».   Izay fitondran-tena any anivon’ny...

Read more 0

Friday, 11 May 2018

RADAMA NANJAKA TAPANY, RADAMA I, Fizaràna IV

11 mai 1863   Atao hoe nanjaka tapany ny olona rehefa tsy tody amin’ny fetra tokony ho izy eo amin’ny fanapahana.   Ny alarobia 23 septembre 1829 tamin’ny 6 ora no teraka...

Read more 0

Wednesday, 09 May 2018

OPERATION MENAMASO, RADAMA II, Fizaràna III

Tuesday, 08 May 2018

DUEL, RADAMA II, Fizaràna II

More posts...
> Top