Sunday, 30 July 2017
EFA IZAY FOANA KAY!
Raha 104 taona taorian'ny lahatsoratra navoaka tao amin'ny Mpanolo- tsaina, no.39, juillet 1913, no mbola teo Caleb RAZAFIMINO, dia asa inona re no nanohizany an'ity. Ho notohizany fotsiny satria dia tsy niova firy Ramalagasy ! NY TOE-TSAINA MALAGASY HITA AMIN'NY MOZIKANY Firenena tia hira sy mahay mihira ny Malagasy, sady malaky mandray no manana sofina matsilo amin'ny fihainoana sy fanavahana ny feo. Fahofahon'ny fiainan'ny Malagasy ny hira ka saika re matetika ao an-tranony. Raha misy hasoavana, ny fisian'ny hira na zava-maneno no heveriny ho fahatanteraham-piravoravoana...