Wednesday, 26 April 2017
MADAGASIKARA RAKOTRA HARENA
Tsy rehefa hoe "tsy marina" dia lainga. Mety hoe "tsy mitombina" fotsiny. Fatra andrefesana "harena" sy "hasarobidy" ny volamena. Anaovana ny tsy fanao ny fitadiavana azy. Anoharana an'izao lanitra izao ihany koa hoe "handia lalana volamena". Atao anaran-jaza mihitsy indraindray! Dia "marina" tokoa fa manan-karena i Madagasikara. Tsy ny Malagasy (olona) fa ilay nosy (tany) onenany. Saingy ilay haren'ny tany tsy mamelona ny olony. Ny olona miasa mantsy no mamokatra harena mety hamelona azy sy hanatsara ny fiainany. Tsy ampy tsinona ny hoe "velona" fa ilàna kalitao...