Saturday, 10 December 2016
INDRAY ANDRO TEO ANTANINARENINA
Vao maraina dia samy mametrapetraka ny fiarany eo amin’ilay tany malalaka be ny mpiasa eny amin’ny manodidina. Efa saika samy mahalala ny toerana mahazatra azy, efa zary mifankahalala koa fa mpiara-monina eo e, samy tsy hiala teo raha tsy maizim-bava vilany. Tsy ametrahana fiara ilay sisiny indrindra manakaiky ny tohatra fa voatokana ho an’ilay hotely misy kodiarana. Misy ny karazam-pihariana rehetra eo : varobarotra kojakoja madinika enti-mandehandeha, tefy firavaka, varotra gazety, hataka, varotra fiarakodia sy afera anaty fiarakodia, fanadiovana fiarakodia, fampanofàna ny tany...