Monday, 15 August 2016
ANDRIAMANELO
Eo amin-dRafohy (vehivavy) no iantombohan'ny tena mpanjaka ambaniandro voalohany teto Imerina, fa mpanjaka Vazimba no teo alohany. Misy milaza fa Vazimba ihany koa Rafohy. Rafohy niteraka an-dRangitamanjakatrimovavy (vehivavy). Rangita niteraka an'Andriamanelo sy Andriamananitany. Rafohy sy Rangita dia nanao an'Imerimanjaka ho renivohi-panjakany. Andriamanelo, izay mpanjaka lehilahy voalohany no tena namindra ny renivohiny ho eo #Alasora. Tsy fantatra marina na teraka teo Imerimanjaka na tao Alasora i Andriamanelo. Ny nampalaza azy dia tamin'ny androny no nahitana ny...