Tuesday, 29 March 2016
ILAY MPIFATOTRA TSY FANTATRA ANARANA
Ny atao hoe datation no tsy dia ahaizako tantara. Diso anefa ny tantara raha mifamadika ny atao hoe contexte. Ka rehefa tsy hay dia tsy atao. Tena zara raha nahatsiaro saina aho no naheno an’ity anankiray ity, saingy tadidiko tsara. Dia indro zaraiko fa mba tsy manome morale koa indraindray ! Tao aorian’ny taona 1954 izy ity no niseho, satria nanomboka teo i dadatoa no niasa tao amin’ilay Toby fitaizana kamboty teny Ambodinandohalo. Akanin-jazalahy raha ny marimarina kokoa. Aumônier tao izy, izay Mpitandrina. Efa rava ilay fikambanana tamin’izahay nitsidika teny, tsy tadidiko...