Saturday, 27 February 2016
28 FEVRIER 1897
Ny alin'ny 27 février 1897 no nosamborina Razafindrahety, na RANAVALONA III, ka nomena adiny efatra namehezana ny entan-keliny. Tsy nomena fotoana izy hanaovany veloma ny havany akaiky sy ny vahoakany. Ny 28 février 1897 no namoahan'ny fanjakana frantsay ny didim-pitondrana manafoana ny Fanjakan'Andriana (Fanjakan'i Madagasikara) tany Imerina ary nampandefa an-dRanavalona III hatao sesitany tany La Réunion, mialohan'ny handefasana azy hankany Algérie. Ny 27 janvier 1897 dia efa nanome baiko ho an'ireo vazaha rehetra nanorim-ponenana tany anindrana i Galliéni,...