HIC-ET-HIAKA

Archives > 2015-12

Thursday, 31 December 2015

NY ZANAJAVATRA NITADY RAHARAHA

Aleo hitantara angano faramparany i nenibe. Niainga, hono, ity zanajavatra nitady karama. Tsy tao ny tompon-tanàna, fa ny mpiandry saha no niseho niady varotra : -valopolo raha sahy ianao. -tsia, hoy ilay zanajavatra. Izaho tsy hanao raha latsaka ny ariary zato. Izaho mita rano mandeha aty, lafo be ny saran'ny lakana -eny àry fa hidi-kizo aho, hoy ny mpiandry saha. Ho tian'ny tompon-tanàna tokoa ianao fa tena miavaka. Fa mba afaka telo volana vao fenoina ny volanao. Dia nieritreritra sy nikasa hanorin-dasy teo ity zanajavatra satria dia nifanitsy tsara tamin'izay...

Read more 0

Tuesday, 08 December 2015

ANGAMBA HIONONA AHO

Tsy afaka ao an-tsaiko Ilay topimasonao Nahatazana ahy tonga vao maraina, Iny kay fa tsy haiko No fara topimaso Nahitanao ahy, ianao nanary aina Tsy afaka ao an-tsaiko Ny fitolokonao nanaiky tsy namaly, Tsy zaka nobataiko, Na inona finiavako hanafaka ny jaly. Mbola taona firy no hilanjako irery Ny alahelo anao? Mitondra hirifiry ny foko rako-pery Indrisy hatramin'zao. Nitanondrika aho...

Read more 0

No more posts available.

> Top