Sunday, 22 November 2015
22 NOVEMBRE, RAZAFINDRAHETY
Ny 22 novembre 1861 no teraka Razafindrahety, izany hoe 156 taona raha velona teo. Natao datin’ny Fandroana moa io 22 novembre io tato afara. Mpanjakan’i Madagasikara nitondra ny anarana Ranavalona III izy nanomboka ny 22 novembre 1883 hatramin’ny 1897. Izy no Mpanjaka farany fa lasa zanatany frantsay i Madagasikara. Ny alarobia 24 septembre 1879 no natao Mariazy tao amin'ny Fiangonana Anatirova, ny Prince Ratrimoarivony, 21 taona latsaka kely, sy Razafindrahety, 18 taona latsaka roa volana. Andriambelo Mpitandrina no nanao izany. Faly Ramoma (Ranavalona II) satria zanaky...