Monday, 26 October 2015
MPITSABO MANAMPY, SA MPANAMPY MITSABO
"Paramed", hoy ry zareo! Oviana no foana ilay sampam-pianarana niankina tamin'ny fanjakana, nanofana infirmier sy sage-femme teo Befelatanana? Satria maniry toy ny bozaka ny sekoly mamokatra "personnel paramédical" isaka ny sampanan-dalana sy elakela-trano. Henika an'ireo mpiofana ny hopitaly. Izay miambozona "badge" no fantatra, fa mahavidy an'ilay fanamiana avokoa ny rehetra ka mangina mijery fotsiny ianao rehefa misy olona mamadibadika io dossier médical-nao io. Miakanjo ambony-ambany manga na maitso io olona io, manao akanjo mafana volovoloina fotsy raha andro...