Saturday, 01 August 2015
NY OLONA MAHAY NY ASANY SY MENDRIKA NY TOERANY
1 -Manira-tena fa tsy miandry baiko lalandava 2 -Manana fomba fiasa, azy manokana, ary miasa amin’ny fony sy ny heriny rehetra 3 -Manao be araka izay vitany. Te handroso hatrany ka tsy mianina amin’ny fanamoramoran-javatra sy ny asa madinidinika 4 -Tapa-kevitra hanatratra izay tanjona hotratrarina ary tsy miverin-dalana amin’izany. Lazainy izay ataony ary ataony izay lazainy 5 -Tsy manara-driandrano na manaiky lembenana. Mahay mankahery tena sy mandrisika ny manodidina azy. Voarindra sy voalamina tsara izay ataony ka tsy mba manahy ny...