Sunday, 13 April 2014
HERINANDRO MASINA
Herinandro masina no iantsoana ny andro vitsivitsy mialoha ny andro Paska (Paka). Tato aoriana dia nanjary nasiana herinandro masina ihany koa mialoha ny andro Krismasy (Noely). Mandritra izany dia maro ny fiangonana kristiana manomana fotoam-pivavahana manokana, amin'ny takariva, indrindra ny Alakamisy sy Zoma masina. Na misy aza ny entim-pahazarana fotsiny mamonjy izany fotoana izany, dia efa dingana iray aloha ny fahazarana ka tsy ifanakianana. Dia nentim-pahazarana ihany koa ity toeram-piasana, sampahon'ny orinasa eoropeana tantanan'ny olona iray mitonona ho...