Wednesday, 02 October 2013
MALADIE D'ALZHEIMER
Tsy cours de médecine ity fa mba tari-dalana fotsiny satria mahonena daholo na ny marary na ny fianakaviany. Tsy feno ary tsy à jour ka tsy afaka mamaly fanontaniana aho. Neuropsychiatre no spécialiste tokony hatonina. Alois ALZHEIMER dia neuropathologiste allemand, namariparitra tamin'ny ankapobeny an'ity aretina ity tamin'ny taona 1906. Ny maladie d'Alzheimer dia aretina mitarazoka mamely ny atidoha. Tsy dia fantatra mazava ny antony marina fa avy amin-javatra maro mifamahofaho. Io no mahazo ny ankamaroan'ny olombelona ataontsika hoe "adala" na "marary saina" amin'ilay...