Efa « antitra » mihitsy aho vao mahita valiny sy fanazavana amin'ny zavatra maro. Izay nahakasika ny tena moa, ka nitera-pahavoazana, dia sira latsaka an-drano. Fa ny ankapobem-piainana, dia ankehitriny vao manam-potoana handinihana. Ary tsy nahadinika raha tsy nandalovana sy niainana. Rehefa "mahantra" ve tsy maintsy maloto, na voretra. Eny tsy misy hambahamba no valiny, raha vao mitarazoka ny "fahantrana". Tsy mitovy ny maloto sy ny voretra, fa miray volo ihany rehefa ela ny ela ! Voazava miaraka amin'izay koa ilay voasoratra hoe "izay tsy manana, na ny kely ananany aza, hoesorina...

Read more 0