Sunday, 15 April 2012
CITRONS CONFITS
Efa tsara lahatra avokoa ny teto an-tany talohan'ny nanakorontanan'ny olombelona azy. Vokatra ny citrons rehefa manomboka ho ririnina satria ilaina kokoa eo ny vitamine C. Dia inty averiko eto ity ho anareo tia marikivy -Bocal 250ml -Citron mavo lehibe 8 -Vovo-tsira 1 sotrokely feno tsara -Antsy kely maranitra tsara •Sasana daholo ny citron dia fafàna atao maina •Potserina ny citron 3 hakàna ny ranony •Tetehina manify ireo hoditra citron avy nopotserina. Esorina izay fotsifotsy matevina tao anatiny (mangidy). Tsy ho afaka daholo fa tsy maninona •Atao anaty bocal ireo...