Aleo mba marihana foana Fa nisy an'izany Kidaona Noenjehina isa-maraina, Nifohazana mbola nalaina! Zary tenany ireo hanihany, Mody adala fa lalina ihany; Raha ho ahy dia nanitatra saina Ny fihainoako Kidaona Maraina! Samy manana ny hanitra ho azy Ireo mpanentana be vazivazy, Tsy azo alahatra mba hotsaraina Fa izay no Kidaona Maraina! Rondro HR 09/09/05 Ho azy dimy lahy zanako sy ny Andrefan'Alatsinainy

Read more 0